- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Tovolahy nitsoraka avy eny ambony « pylone »

Ampitatafika : Tovolahy nitsoraka avy eny ambony « pylone »

« Tsy fantatra aloha hatreto izay tena nanosika azy, hanao an’ity fihetsika ity (…) Mbola hisy ny fanadihadiana ireo fianakaviany aorian’ny fikarakarana ny razana » hoy ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Fenoarivo. Nisehoana tranga nampihoro-koditra tokoa tao Ambodizozoro, Ampitatafika ny andron’ny talata teo. Tovolahy iray, manodidina ny 26 taona no nihanika irony « pylone », mpitondra herinaratra mahery vaika irony. Nisy nahita izany ary nampandrenesina haingana ny tompon’andraikitra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny sefo fokontany tao an-toerana ary fianakaviana akaikin’ity tovolahy ity. Na dia teo aza ny fandaminan-tsaina sy ny fandresen-dahatra ireto farany dia mbola nanohy ny fihaniany ilay andrin-jiro avobe ihany ny lehilahy. Ary nony tonga teny amin’ny fara-tampony dia nanapa-kevitra avy hatrany hitsambikina sy hitsoraka. Marihana fa manodidina ny 30 metatra eo ho eo ny haavon’io « pylone » hoy ny vaovao. Potika tanteraka ny vatany nony niarapoka tety amin’ny tany. Nezahina ihany ny nitondra azy nankany amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy avotra intsony ny ainy, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici