Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’ny faritra Ampitafika iny, ny asabotsy maraina teo. Nisehoana famonoana olona mahatsiravina indray mantsy teny amin’iny faritra iny. Fatim-behivavy iray no nantsigevan’ny rano teny an-tanimbary.
Tovovavy iray, manodidina ny 18 taona teo ho eo, no hitan’ny olona nitsingevana tao anatin’ireny lava-drano avy nanaovana biriky ireny, tany Avaratetezana. Efa tsy nisy aina intsony ity tovavavy ity. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no tonga nampilaza tamin’ny mpitandro filaminana ny Sefo Fokontany tany an-toerana, ny amin’ny fisian’io razana mitsingevana io. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpitsabo niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana, nijery akaiky ity tranga ity. Fantatra tamin’ny fizahana ny razana fa, maty novonoina io tovovavy io. Ary mety vao haingana mihitsy izany, na ny marainan’io andro io, araka ny voalazan’ny mpitsabo hatrany. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia nahitana diana antsy telo teo amin’ny tarehin’ity tovovavy kely ity, ary iray hafa kosa teo amin’ny tendany. Ambon’izay dia mbola nahitana diana tady sy lamba ihany koa teo amin’ny faritry ny tendany , izay toa milaza avy hatrany fa avy nokendaina ity olona ity. Raha ny vinavinan’ireo tomponandraikitra, dia ankevitry ny nampijaliana nokendaina izy, ary avy eo nofiraina antsy. Rehefa maty dia natsipy teny an-tanimbary. Tsy fantatra hatreto na mbola niharan’ny fanolanana ihany koa ity tovovavy, zarazara hoditra hita faty ity. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia mbola teny an-kodiny avokoa ny fitafiany, T-shirt no ambony, ary « Panta-court » kosa no ambany, tamin’ny nahitana ny razana. Raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana, dia tsy mponina eny amin’ny manodidina mihitsy ity tovovavy ity ary milaza ho tsy misy mahafantatra azy ireo olona teny amin’ny faritra nahitana ny razàna. Raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana, dia mety ho nisy nanendaka izy ary avy eo dia novonoina tamin’ny fomba nahatsiravina toa izao. Mbola tsy fantatra ihany koa ireo mpamono. Mitohy araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo zandary eny an-toerana.
m.L