Nitrangana hain-trano mahatsiravina indray tetsy Avaratetezana Ampitatafika, omaly maraina. Trano lehibe iray misy rihana roa no kila hotohoton’ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany saingy tsy nisy azo noraisina intsony kosa ireo entana rehetra tao amin’ity trano ity.
Mpiara-miasa. Fianakaviana telo no mipetraka ao amin’ity trano lehibe ity, ary isan’ireo niharam-boina ny namana mpiara-miasa iray, mpaka sary eto anivon’ny Midi Madagasikara sy Gazetiko, ary lehiben’ny tarika Gasy Mihanta : Yvon Ram sy ny ankohonany. Araka ny fitantarany dia tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any no niseho ny loza. Niainga tao amin’ny rihana voalohany nisy azy sy ny fianakaviany ny afo, izay vokatry ny « court-circuit » niainga teo amin’ny « compteur ». « Tsy nisy olona tao aminay tamin’io fotoana io. Izaho any am-panaovana « reportage » no nampandrenesina fa hoe may ny tranoko », hoy izy. Tsy nisy olona ihany koa tany amin’ny rihana farany ambony izay vetivety dia azon’ny afo, toraka izay ihany ny tao ambany, saingy tafaverina haingana ireo olona ireo, niezaka ny namoaka izay hany entana sisa avotra.
Nanano sarotra. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja no niparitahan’ny afo, namotika izay rehetra azony tao amin’ity trano ity. Niezaka nanao izay vitany tamin’ny famonoana ny afo ireo fokonolona teny an-toerana. Vetivety ihany ihany koa raha ny fanazàvana azo dia tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Saingy somary nanano sarotra ny fifehezana sy ny famonoana ny afo noho ny fisian’ireo karakara vy manemitra ny varavaran-kely. Na izany na tsy izany anefa dia voafehy ihany izany tao anatin’ny ora maromaro. Potika ary tsy nisy na dia kely aza entana avotra tao amin’ny rihana voalohany sy ny tany ambony. « Entana, fitaovana ary vola tao an-trano, ny fananana nohariana tanatin’ny am-polon-taonany maro, may tsy nisy noraisina avokoa. Ny asa rehetra taraiky sy potika tao avokoa », hoy izy. Izahay mpiara-miasa moa dia mankahery tanteraka azy sy ny fianakaviany ary ireo rehetra niharam-boina tamin’ity loza mahatsiravina teny Ampitatafika ity.
m.L