Vao maraina, omaly, dia efa razana no hitan’ny olona teo Ambohijafy-Fenoarivo. Nipetraka teo akaikin’ny biriky maro namboarina izy no hita. Vehivavy mitondra vohoka, raha araka ny tsikaritr’izay nahita. Tsy fantatra mazava hatreto ny nitarika ny fahafatesany na dia somary nandeha aza ny tsilian-tsofina, fa narian’ny sakaizany izy rehefa nitondra vohoka. Nisy ny fanadihadiana nosokafana momba ity tranga ity.
D.R