Hatairana sy alahelo ny an’ireo mponina avy ao amin’ny kaominina Ampondralava, any amin’ny distrikan’Ambilobe iny, omaly maraina. Namoy ny ainy, tamin’ny fomba hafahafa ny ben’ny tanan’izy ireo, Atoa Bemanjary Modeste, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « Tola ». Raha ny fampitam-baovao azo dia hita faty nihantona tamin’ny hazo izay, tsy lavitry akory ny trano nipetrahany ity farany. Efa vatana mangatsiaka sisa. Nidina avy hatreny teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nijery akaiky ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana. Hatreto araka izany, tsy fantatra mazava izay tena anton’ny fahafatesana : mety ho famonoan-tena sa nisy namono ? Raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe nivoaka ny trano izy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Noheverin’ny tao an-trano fa hivoaka hivalan-drano, kanjo tranga mahatsiravina tahak’izao no niseho.
m.L