Intelo tsy nahatsiaro tena ity zazavavy kely iray, vokatry ny fanolanana nataon’ny tovolahy miisa telo azy, tany amin’iny distrikan’Antsohihy iny. Nosamborina avy hatrany moa ireto tsy valahara ireto, ny alatsinainy lasa teo.
Nitranga nandritra ny harivan’ny 25 jona teo ity tranga fanolanana tao amin’ny kaominina Anahidrano, distrika Antsohihy ity, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nivoaka hamonjy ny lanonana tao an-tanàna ho fankalazàna ny fetim-pirenena ity zazavavy kely 13 taona, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Tovolahy roa avy eo no nitondra azy, izay samy monina ao Mahamavo avokoa, ho any an-tranon’ny tovolahy naman’izy ireo, 18 taona. Nihidy aman-trano tao izy ireo ary nanamparan’ny iray ny filàn-dratsiny ity ankizivavy kely ity, raha ny vaovao hatrany. Nisy fiantraikany betsaka tany amin’ny mahavehivavy azy anefa izany herisetra ara-nofo nihatra taminy izany. Nijininika ny rà nony vita izay nataon’izy ireo. Raha ny filazan’ireo mpitsabo nijery ity ankizivavy ity dia rovitra tanteraka mihitsy ny taovam-pananahany. Teo anatrehan’ny zava-nisy sy ny fahaverezan-drà be loatra dia tsy nahatsiaro tena imbetsaka ilay ankizivavy kely. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana moa taorian’izay. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zandary, tao amin’ny tobim-paritra Anahidrano ny ray aman-drenin’ilay zaza. Nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo nahavanon-doza moa ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto. Afakomaly izy telolahy no noraisim-potsiny tany an-toerana nisy avy ireo tsirairay tany, ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary avy hatrany. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela moa izy ireo raha ny fanazavàna azo hatrany aorian’ny fakàna am-bavany azy eny anivon’ny zandary. Mila mailo tokoa ny rehetra, indrindra fa ireo manan-janaka vavy rehefa misy fety aman-danonana amin’ny alina toa ireny. Sady raha ny tokony ho izy, ny zaza vavikely toa izany, tsy tokony halefa irery mamonjy fety amin’ny alina. Ny fotoana toy izany foana mantsy matetika no hanararaotan’ireo mpanao ratsy manao ny asa ratsiny.
m.L