5 lahy voampanga ho namaky ny biraon’ny filoha tompon’ny hotely léhibe tetsy Analakely ny alin’ny 27 septambra lasa teo no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora rehefa natolotra ny fitsarana omaly alarobia. Raha araka ny loharanom-baovao dia olona enina no voarohirohy tamin’ity raharaha ka ny iray dia mpiasa ao amin’ity hôtely ity ihany saingy nahazo fahafahana vonjy maika ity farany. Entana mitentina 10 tapitrisa ariary moa no very tamin’ity vaky trano ity ka isan’izany ny « unité centrale » ny « camera de surveillance » ao amin’ity hôtely ity. Ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany etsyAnalakely no niandraikitra ny raharaha rehefa naharay ny fitoriana mikasika izany ny 28 septambra lasa teo. Nanao ny fikarohana ny Polisy ka voasambotra ny 20 oktobra 2020 ny dimy lahy nanao ity asa ratsy ity ka mpitandro ny filaminana efa voaroaka ny iray.
T.M.