- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Andian’ankizy mangataka no sady mangalatra

Analakely : Andian’ankizy mangataka no sady mangalatra

Kipato iray nisy solosaina fenti-tanana iray sy « tablette », izay tombanana ho any amin’ny iray tapitrisa ariary mahery tany ho any no very tetsy Analakely, ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Rehefa nametraka fitairanana teny anivon’ny kaomisarin’ny boriborintany voalohany ireo lasibatra dia fantatra fa andiana tovolahy kely, mody mangataka eny an-toerana no nangalatra io kipato io. Efa namidiny tamina ramatoa iray mpitaiza azy ireo amin’ny vidiny iray hetsy moa ity entana halatra ity.

Isan’ny toerana be olona foana raha iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Indrindra moa fa hoe alina ny andro dia maro ireo miala voly kely amin’ny tsakitsaky sy fisotrosotroana ary vehivavy eny amin’izany faritra izany. Amin’io fotoana io ihany koa anefa no tena miasa mafy ireo tontakely. Toy ity nitranga ity izao dia hay izy ireo mody mangataka amin’ireo mpiala voly fa ny mason’ireo mitily izay zavatra azo alaina avy hatrany. Araka ny fampitam-baovao azo dia mazàna tsy misy maniraka izy ireo na misy mpiray tsikombakomba aminy. Tamin’io  andro iray io dia voalaza fa ramatoa iray, mipetraka etsy Antohomadinika no nampiantrano azy ireo taorian’ilay halatra ary nividy avy hatrany ireo fitaovana sarobidy azon’izy ireo. Efa nosamborina ihany koa moa ity farany ary notazomina nanaovana fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici