- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Andian’olona lava akanjo nitabataba nanaitra ny maro

Analakely : Andian’olona lava akanjo nitabataba nanaitra ny maro

Taitra ny olona raha nahita an’ireto olona lava akanjo maromaro izay nihorakoraka raha nandalo an-tongotra an’Analakely. Amin’ny andro antoandro nahabe mpivezivezy rahateo hany ka betsaka ny natahotra. Ny antony dia satria silamo ireo nandalo marobe ary ny fahitàna tampoka azy ireo nitabataba dia nitarika ny sain’ny olona avy hatrany sao misy zavatra nokasain’izy ireo hatao. Na ny mpizahatany aza dia nitsoaka avy hatrany teo an-toerana ary niezaka ny niditra haingana tany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny nisy azy ireo. Rehefa tena nohadihadiana ny zava-nitranga dia nandalo teo ireo mpino silamo ireo ary ny teny naverimberiny dia « Allah Akbar ». Fiteny Arabo izy manambara izany fa lehibe ny Andriamanitr’izy ireo. Any anaty horonan-tsarimihetsika izay misy ny asa fampihorohoroana dia io no averin’ireo mpanao vy very ny ainy alohan’ny hanaovany ny asaratsy Mazava hoazy fa nandeha tany amin’izany avy hatrany ny sain’ny olona raha nahita ireto bezipo marobe nihorakoraka. Ny alatsinainy teo no nitranga izany ary heverina fa faly tamin’ny fankalazana ny « Aïd el Adha » izy ireo dia nivoaka ny toerana ary naneho izany. Samihafa tanteraka anefa ny fandraisana an’izany, indrindra amin’izao vanim-potoana izay fantatra fa marobe ny lava akanjo no miditra eto amin’ny firenena ary izany aza dia arahin’ny Amerikana maso akaiky. Taitra ny olona ary ny vazaha mpizaha tany no tena nitsoaka be nahita an’izany rehetra izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici