Tsy vitan’ny mpangarom-paosy, na misintona dia lasa intsony indray amin’izao no tetik’adin’ireo mpanendaka fa tena batainy ankitsirano mihitsy ireo hazany, entin’izy ireo any amin’ny mangingina ary anamparan’izy ireo ny asa ratsiny. Araka ny fitarainan’ireo efa tratra, raha vao mirotsaka ny alina dia misy andian’olona mivezivezy eny amin’ny « avenue » sy miafina ambanin’ny « arcade », mitily ireo izay mandeha irery eny amin’iny faritra iny. Amin’izay indrindra no manao tambabe ireo andian’olona ireo ka avy hatrany dia mibata izany, mivadika mankaty amin’iny faritra Ambodifilao sy ny manodidina iny. Hatreto dia efa olona telo izay no fantatra fa tratran’ireo andian’olona mibata sy manendaka ireo, tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Marihina fa tsy takona afenina tokoa ny ezak’ireo mpitandro filaminana, izay mivezivezy sy misava ireo fiara mandalo eny Analakely eny amin’ny alina, ny fivezivezen’ireo fiara tsy mataho-dalàna miloko maitso eny amin’ny manodidina, ary ny fisian’ireo olona voasambotra maromaro, kanefa toa mbola tsy ampy tanteraka izany, raha ity tranga ity no dinihana. Raha ny filazan’ireo mponina eny amin’ity faritra ity mantsy dia toa efa voakajin’ireo olon-dratsy ny faritra sy ny fotoana fandalovan’ireo mpitandro filaminana, ka eo anelanelan’izay izy ireo no manao ny asa ratsiny. Fa etsy andanin’izay ihany koa, araka ny nambaran’ny olona hatrany, ny fisian’ireo mpitandro filaminana sasantsany, maka « ekôlazy » sy miray tsikombakomba amin’ireo tontakely. Raha tiana hilamina tokoa angaha ny tany, any amin’ireo mpitandro azy voalohany no tokony hasiana fandaminana aloha. Mandalo amin’ireo “mpanotra”, “mpandray ekôlazy” ary miafara amin’ireo mpampanofa basy sy mpanangona andian-jiolahy …
m.L