Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra Antanimena ambany, ampitana fivarotana sakafo malaza io. Ramatoa lehibe iray mantsy, mananika ny 70 taona any ho any,no nodomina fiara “sprinter” nidina iny làlana iny, omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy, avy hatrany dia tsy tafahetsika teo an-tsisin’arabe ity renim-pianakaviana ity. Ny filazan’ireo nanatri-maso no nahafantatra, fa handeha hiampita arabe ity vehivavy ity. Saingy angamba tsy hitan’ilay fiara, teo am-pisongonana taxi-be nijanona teny amin’iny faritra iny. Tsy dia nandeha mafy ihany ilay fiara, fa raha tsy izany dia mety izay vao tena loza no nitranga. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly ity ramatoa ity ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tonga teny an-toerana kosa ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny lozam-pifamoivoizana nizaha ifotony ny zava-misy ary efa am-pelan-tanan’izy ireo ny raharaha. Fa io omaly maraina io ihany, tetsy Analakely. Ankizikely iray vao telo taona monja ihany koa no nofaohin’ny taxibe. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso hatrany, dia handeha hiampita ihany koa ity zaza ity, izay zanaka mpivarotra eny an-toerana, tsy nahita velively an’ilay taxibe, nandeha mafy avy any. Nidridroka ny feona hisatra, nanaitra ny rehetra teny an-toerana. Tafajanona ara-potoana ity fiara ity, raha tsy izany dia efa tany ambany kodiarana ity zazakely ity. Saingy na izany aza, voadona ihany izy. Raha ny fantatra dia teo amin’ny lohany sy ny lamosiny no voa. Nentina tany amin’ny hôpitaly ihany ity farany, ary efa nahazo fitsaboana.
m.L