Dia tsy mitsaha-mivoatra tokoa ny teknikan’ireo mpanendaka, mba hampahomby ny asa ratsy ataon’izy ireo. Raha nalaza tamin’ny fotoan’androany ny “toraka tsipolitra”, amin’izao fotoana izao, ireny bigodia, na “pince crabe” kely fanao amin’ny volo ireny indray no fitaovana, hanamarihan’izy ireo izay olona hendahiny. Tsy iray, tsy roa, fa tena maro tokoa no efa tratra ka mitaraina amin’ity fomba vaovaon’ireo mpanendaka ity. Ary saika eny amin’iny faritra Analakely sy Andravoahangy iny avokoa izy ireo. “Misy iray amin’ireo olon-dratsy no mitily izay ho hazany. Ka amin’izay fotoana izay, raha vao mahita mpiantsena bebe vola izy dia paingorin’izy ireo an’io bigodia io, ny harona na ny sakaosy entin’ireo olona”, hoy ny fitantaran’ireo manatri-maso. Tsy ireo mpiantsena ihany anefa no voa, fa eo ihany koa ireo olona avy maka vola amin’ny banky. Tsy mijanona eo ny tantara anefa fa, ao aloha ao, efa misy naman’izy ireo maromaro, manatanteraka amin’izay ny asa ratsiny. Izany tokoa angaha ny hoe, ny vaovao tsy misy fa ny tonta ihany no avadibadika, raha ity resaka ity no dinihana. Raha ny fantatra mantsy dia efa teknikan’ireo mpisam, tany amin’ny roapolo taona lasa tany ity miverina ity. Tamin’izany fotoana izany, dia tsipolitra na ireo karazana ravin-kazo miraikitra amin’ny lamba no nampiasain’ireo olon-dratsy. Mba jerijereo ihany araka izany ny entana, ny harona na sakaosy, ka tokony ho mailo avy hatrany raha vao mahita zavatra tsy an’ny tena mipetraka eo. Tsy kisendrasendra iny akory …
m.L