- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Dimy lahy nanendaka vazaha voasambotra

Analakely : Dimy lahy nanendaka vazaha voasambotra

Ny alarobia lasa teo, vazaha iray no voaendaka teo anoloan’ny gara Soarano. Tsy lavitra teo anefa, nisy polisy nahita ny fandehan-javatra. Avy hatrany dia raikitra ny fifanenjehana ka tratra tamin’izany ny olona roa. Rehefa noterena izy ireo dia nanondro ny namany telo hafa. Rehefa nojerena dia tsy ampy taona ny telo, satria vao 16 taona, 14 taona ary 13 taona. Ireo roa lahy nosamborina voalohany mao dia efa maherin’ny 40 taona avokoa. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo dia samy niaiky ry zalahy fa tena mpanao an’io asa ratasy manendaka sy mangarom-paosy io. Manamarika ny polisy fa matetika no atao famotorana ao amin’ny boriborintany voalohany ireto bandy ireto. Efa misy amin’izy ireo koa no namita sazy tany am-ponja noho ny resaka haram-paosy. Mitohy hatrany ny ezaka “opération pick pocket” ataon’ny polisy eny Analakely.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy dimy ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici