Raha vao mivoaka ny fonja ry zalahy dia miverina manendaka indray. Izany no azo lazaina ho an’ireto olona efatra nosamborin’ny polisy tamin’ny talata teo. Nahazo vaovao avy amin’ny komitim-pokontany Tsaralalàna ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely fa misy andiana mpanendaka eny amin’ny Cité Lacoste, na andro na alina. Ny faha-8 martsa tamin’ny 9 ora sy sasany, nandeha teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nisy lehilahy iray antsoina hoe Veve voasambotra tamin’izany. Rehefa nofotorana io dia fantatra fa efa nigadra indroa teny Antanimora momba ny resaka fanendahana ihany. Natorony ireo namany mpiara-manendaka aminy. Nanao velam-pandrika ny mpitadro filaminana ka tratra teny amin’ny trano rava iray eny Antanimena teo am-pifohana rongony ny lehilahy miisa telo. Rehefa tany amin’ny birao, fantatra ihany koa fa efa nigadra avokoa izy ireo tratra nanendaka.
Antaniavo. Fa mbola resaka fanendahana sy sintomahery ihany, lehilahy iray 23 taona, monina Antohomadinika no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PP Antaniavo ny faha-6 martsa teo. Tsy lavitra ny paompy Antohomadinika no nakana azy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa anisan’ireo efadahy nisintona paoketrana vehivavy niala taxi teny amin’ny 67 ha ity tratra ity. Very tamin’io fotoana io ny vola 800 000 ariary saika hatao “versement” raha avy nivarotra tany Analakely izy. Rehefa nofotorana ilay mpisam dia fantatra fa efa avy nigadra teny Antanimora ny anao lahy noho ny resaka sintomahery ihany. Ireo namany kosa karohan’ny polisy amin’izao fotoana izao.
Omaly alarobia faha-9 martsa no natolotra ny Fampanohavana ireo olona dimy mpanendaka sy mpanao sintomahery ireo.
r.s.




