- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Fanalana mpivarotra, nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso

Analakely : Fanalana mpivarotra, nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso

ASSAINISSEMENT-(20)Raikitra ny sakoroka tetsy Analakely omaly maraina. Teo ankilany, ny polisin’ny kaominina, andaniny, ireo mpivarotra amoron-dàlana izay voalaza fa mbola nitokona tsy nety niala. Vokany olona efatra no nosamborina. Niha-ratsy ny fandehan-javatra tamin’izay satria tsy nanaiky ireo mpivarotra ary nitaky ny hamoahana tsy misy atakandro ireo olona ireo izay nentina tany amin’ny birao. Nitangorona marobe nanoloana ny biraon’ny kaominina ny rehetra. Voalazan’ny vaovao fa nisy polisy avy ao amin’ny kaominina iray voasambotry ny olona ary saika hanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nahatosika intsony ireo polisy kaominaly ka niantso ireo polisy avy ao amin’ny boriroritany voalohany sy ny avy ao Tsaralalana. Hita fa tsy ampy ireo rehetra ireo ka tonga koa ny Emmo Reg nanampy. Fantatra koa fa nisy ny tora-bato avy amin’ireo olona maro nitangorona izay tsy nety niparitaka. Farany nalefa ny grenady. Avy eo nisy ny fifampiresahana, araka ny vaovao voaray teny an-toerana. Taorian’izany, navotsotra avokoa ireo efatra nosamborina.

Ny vaovao teny an-toerana hatrany no nahalalana fa toa hoe efa nisy fifampiresahana teo amin’ireo solotenan’ny mpivarotra sy ny avy ao amin’ny kaominina. Raikitra fa tsy hisy hivarotra intsony amin’ny teorana tsy azo hanaovana izany. Nisy ihany anefa ireo namelatra entana. Tonga ny polisy ary naka ny entan’izy ireny. Nisy vehivavy iray tsy nanaiky hanome ny azy ka teo no nanomboka ny disadisa. Nifamaly mafy tamin’ireo mpandraoka entana io ramatoa io sady nikasi-tànana. Avy hatrany dia nentin’ny polisy. Nisy hafa koa nentina niaraka taminy.

nangonin’i  r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici