Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana teny Anosy ireo telolahy, voatondro ho namotika ireo tavim-boninkazo, natao ho haingon’ny renivohitra teny Analakely. Rehefa avy nohenoin’ireo mpitsara mpanao famotorana izy ireo dia nalefa vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Raha tsiahivina dia ny zoma alina, hifoha sabotsy lasa teo, no nisy namotika tanteraka ireo tavim-boninkazo, vita amin’ny “beton”, nataon’ny kaominina, teny Analakely. Niisa teo amin’ny 21 ireto haingon-tanàna ireto no potika tanteraka. Rehefa nanao ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny dia nisambotra telolahy, nihaodihaody teny an-toerana. Raha ny fanazavana azo dia mamo izy ireo tamin’io fotoana io. Nentanin’ilay “rano mahamay” angamba, ka lasa nanao ny tsy fanao. Nilaza ireo mpanao fanadihadiana fa tsy nisy antony hafa nolazain’izy ireo, nanosika azy hanao ity fanimbana fananam-bahoaka, izay mety hidirana am-ponja ity. Ny roa tamin’izy ireo no niaiky ny heloka nataony, raha ny fanazavana azo hatrany. Nandà ho tsy nanatontosa ireo fanimbam-javatra ireo kosa ny iray tamin’izy ireo.
m.L