- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Fiara kely nofaohin’ny kamiaon’ny kaominina

Analakely : Fiara kely nofaohin’ny kamiaon’ny kaominina

Potika tanteraka ary tapaka hatramin’ny lohan’ilay fiara Volkswagen polo izay nentin’ny madama iray. Ny alin’ny alarobia teo no nitrangan’izany. Ny iray avy any Soarano ary ny iray kosa sendra nanapaka ilay lalana ary efa tafiditra soa aman-tsara ny lohany. Saingy mbola voafaokan’ilay kamiao mpandroaka fakon’ny kaominina ihany. Karazam-piara izay raha ny fahafantarana azy dia sady tsy misy laharana no tsy misy fiahiana ihany koa. Midika izany fa mety atahorana ho miala maina fotsiny izay voadonan’izy ireny. Matetika anefa raha ny tsikaritra dia misetrasetra ireo mpamily noho ny fahafantarany fa arovana hatrany izy ireo. Ny fiara mipetraka an-tsisin-dàlana dia matetika mihitsy no mitaraina ny tompony rehefa hanao ny fandraofana fako ireny kamiao ireny ka tsy miraharaha mihitsy ny fiara manodidina, izay matetika kasohiny. Ny fanapahan-dàlana amin’ny alim-be ihany koa rehefa manao ny asany izy ireo dia isan’ny tsikaritra…
D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici