- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Fifanjevoana teo amin’ny miaramila iray sy ny pôlisy monisipaly

Analakely : Fifanjevoana teo amin’ny miaramila iray sy ny pôlisy monisipaly

Nitrangana korontana sy fifanjevoana tetsy Analakely, manoloana ny Avenue, ny alin’ny zoma lasa teo. Lehilahy iray, voalaza fa miaramila no nifandrombahana pôlisy monisipaly maromaro ary nentina nampiakarina avy hatrany tao anaty fiaran’ireto farany. Voatery niditra an-tsehatra ny pôlisy misahana iny faritra iny, ny avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, niaraka tamin’ny pôlisin’ny hery vonjy taitran’ny kaomisaria foibe, ny UIR.

Raha ny fanazavana azo dia nisotrosotro teo amin’io toerana io ity lehilahy ity, nandritra ny hetsika Takarivan’Iarivo. Mazava ho azy, rehefa niakatrakatra ny daozin’ny alikaola dia nisy ny fifamaliana teo amin’ity farany sy ireo pôlisy monisipaly, izay miandraikitra ny filaminana mandritra io hetsika io. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia toa hoe resaka « parking » no niantombohan’izany. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fifamaliana vava anefa ny raharaha fa tonga hatramin’ny fikasihan-tanana. Nanao angaredona nifehy izany olona izany ireo pôlisy monisipaly. Nitangorona ny olona. Niditra an-tsehatra ihany koa ny polisin’ny boriboritany voalohany sy ny UIR, niezaka nandamina ny raharaha sy ireo olona nitangorona. Nentina avy hatrany nihazo ny birao moa ity voalaza fa miaramila ity. « Resaka samy mpitandro filaminana ilay izy, ka mba tsy hitaràn’ny raharaha be loatra dia natao ny fifandaminana teo amin’ny roa tonta. Efa miravona tanteraka ny toe-draharaha amin’izao » hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny kaomisarian’Analakely ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici