- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Fisamborana faobe

Analakely : Fisamborana faobe

Olona 16 no natolotry ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany omaly. Ireo dia voarohirohy tamin’ny sinto-mahery eny « Petite vitesse » sy eo Analakely. Raha ny fanazavan’ny pôlisy dia tratra ambodiomby ireo olona marobe ireo. Tanora avokoa izy rehetra ary rehefa nandeha aza ny fanadihadiana dia fantatra teo fa mbola tsy ampy taona ny efatra tamin’izy ireo. Efa saika nandalo teny Antanimora avokoa ny ankamaroany izao mamerin-keloka izao indray. Ankoatra izay dia mbola nisy andian-dehilahy voasambotra noho ny fifohana rongony, tao amin’ny « pavillon » etsy Analakely. Lasa toeran’ny ratsy araka izany Analakely, izay fitaratr’Antananarivo noho izy sady ifaneraseran’ny olona marobe isan’andro no ivondronan’ny varotra koa. Nilaza ny pôlisy misahana ny fiambenana iny faritra iny fa hanao fitsirihina sy fanangonam-baovao andro aman’alina mba hoentina miady amin’ireo mpanao ratsy izay mampiteny ny moana  eny Analakely sy ny manodidina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici