Olona fito, lahy avokoa ary misy tsy ampy taona, no fantatra fa nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany, tamin’ny alahady lasa teo. Tratra namaky tsena iray tao amin’ny « pavillon » Analakely ry zalahy ireo. Tsy mivoha ny tsenan’ireo olona ny andro alahady. Tokony ho tamin’ny 12 ora anefa, akory ny hatairan’izy iroe nahita fa vaky ny fivarotany. Avy hatrany dia nampandre ny polisy ry zareo. Nandeha teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ka ankizilahy iray vao 13 taona no hita tao. Nentina tany amin’ny birao ary nohadihadiana ny anao lahy. Nilaza izy fa tsy nandeha irery tamin’ity famakiana tsena ity, fa nisy namany. Notondroiny ny toerana mety hahitana azy ireo. Tratra teo am-pilokana teny amin’ny ‘Zay Maika ny enina. Rehefa natao ny famotorana azy ireo dia fantatra fa 38 taona ny zokiny indrindra ary 13 taona ny zandriny. Ny telo tamin’ireto mpamaky tsena ireto, dia efa tany am-ponja ary dia izao mamerin-keloka izao indray. Ny vaovoa voaray avy amin’ny polisy hatrany no nahalalana fa, tamin’ny 29 aprily, efa nisy tsena iray vaky teo akaikin’ity voaroba ity ary hatrany amin’ny 15 tapitrisa ariary ny tetibidin’ny entana very tamin’izay. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy fito lahy.
r.s.