- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Halatra anaty « chambre », olona efatra nofandrihana

Analakely : Halatra anaty « chambre », olona efatra nofandrihana

Nitory ny tompon’ny hotely lehibe maromaro izay isan’ny tsara eto an-drenivohitra. Izany dia mahakasika ny fisian’ny olona mangalatra eo anivon’ny efitra izay hofainy. Tamin’ity indray mitoraka dia tao amin’ny Hôtel du Louvre no nivantana ireo mpangalatra. Manao famandrihana ny hotely mialoha izy ireo ka vehivavy no ampiasaina amin’izany tapany voalohany izany. Rehefa vita izany dia tonga tsikelikely ao amin’ilay toerana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Bataina ny fahitalavitra « écran plat », ny lamba isan-karazany ary hatramin’ny « serviette » aza dia entin’ireo olon-dratsy mitsoaka miaraka aminy. Ny tsy nalehan’ny sain’ireto olon-dratsy ireto dia ny fisian’ny « caméra de surveillance » eny anivon’ireny toerana lehibe ireny. Koa satria efa hain’ny pôlisy ny momba azy ireo sy ny fomba fanaony dia efa nandrasana fotsiny ny hivezivezeny tao amin’ilay hotely,  niaraka tamin’ny entana avy nangalarina, ka noraisim-potsiny. Nanoro ny namany izay voasambotra ka ny totaliny dia niisa efatra no notazomin’ny polisy ka nanokafana fanadihadiana. Misy ny mpangalatra fotsiny ary misy koa ny mpividy ny entana halatra fotsiny. Izany hoe efa mizara tanteraka ny anjara asan’izy ireo ary efa voalamina izany. Toraka izany, tsy mijanona ela izay entana azo fa mivadika vola avy hatrany.  Ary dia vitan’ireo olon-dratsy ny mitety ireo hotely lehibe eto an-drenivohitra mba hanatontosana an’izany. Ny lakilen’ny hotely indray dia tena ateriny eny amin’ny mpiandraikitra izany , mba hialàna amin’izay mety ho fanahiany. Ny mpanadio ny efitrano no voalohany mahatsikaritra fa foana tanteraka ny entana ary mampandre ny tompon’andraikitra. Miova anarana isak’izay mandeha ireo mpanao ratsy mba hahasarotra ny fikarohana azy. Saingy voajono ihany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici