- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Hisy inona indray amin’ny asabotsy ?

Analakely : Hisy inona indray amin’ny asabotsy ?

Efa mivonombonona indray ny mpitandro ny filaminana manoloana ny fikaroham-baovao nataon’izy ireo tetsy sy eroa na hanahiana ny mety hisian’ny olona hihetsika amin’ny asabotsy hoavy izao. Andro toa izany rahateo matetika no itrangan’ny gidragidra eo amin’io toerana io, rehefa tsy milamina ny pôlitika. Mazava loatra raha mailo ny mpitandro ny filaminana ary nandray ny fepetra rehetra hiarovana amin’izay mety ho fihoarana amin’io andro io. Tsikaritra koa nanomboka omaly fa, efa feno miaramila ny kianjan’ny demokrasia ary tsy azo nidirana mihitsy aza tao. Niverin-dàlana fotsiny ireo izay saika hitondra zaza entina milalao tao an-toerana. Tsy voafaritra mazava hatreto hoe iza no haninona, satria mifamahofaho be ihany ny resaka momba ity fanahiana korontana amin’ny asabotsy ity. Ny zava-misy dia azo heverina fa, misy ny olona tsy faly manoloana ny toe-javatra ankehitriny ary etsy andaniny koa, misy indray ireo mitady hampirehitra ny afo bebe kokoa. Tsy niova tamin’izay efa nitranga hatramin’izay ihany ny sary ary miverimberina rahateo izany paika izany isaky ny mafampana ny zava-misy ara-pôlitika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser