- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Karàna nandrahona mpivarotra, nosamborin’ny pôlisy

Analakely : Karàna nandrahona mpivarotra, nosamborin’ny pôlisy

Tsy niandry ela tokoa ireo pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, tarihin’ny kaomisera Randriamparany Ted Steven, fa avy hatrany dia nandray andraikitra, vantany vao nahazo antso mahakasika ity raharaha ity. Omaly hariva, tetsy Analakely, terantany karàna iray mantsy no fantatra fa nandrahona sy voalaza fa nikasa handroba mpivarotra teny an-toerana. Raha ny fanazavana azo dia tao anatin’ny fahamamoana ity farany. Raikitra teo ny fifamaliany tamin’ireo mpivarotra ary toa hoe niafara tamin’ny famoahany zava-maranitra mihitsy izany, niaraka tamin’ny fandrahonana isan-karazany. Nisy nampandre avy hatrany ireo pôlisy tompon’andraikitra ary tonga haingana teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy. Nosamborina avy hatrany ilay karàna ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria. Araka ny fampitam-baovao azo dia notanana natao andrimaso avy hatrany tao an-toerana ity farany, ho amin’ny famotorana azy.

Tsy misomonga. Na iza na iza, rehefa manao ny tsy mety sy mandika lalàna dia tsy maintsy mandray andraikitra ny pôlisy, entina hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, hoy ny fanazavana nentin’ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely ity.  Amin’izay lafiny fametrahana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny tokoa izay dia fantatra fa manao hetsika manokana ny pôlisy eny an-toerana, amin’ny fandravàna ireo tontakely manao ny asa ratsiny, izay niha-nirongatra tokoa tao ho ao, indrindra fa amin’iny lalana mihazo an’Andohan’Analakely ka hatraty ambadiky lapan’ny tanana iny. Efa maromaro ireo voasambotra ary tsy misomonga izahay, hoy hatrany ny fanazavana azo. Amin’izao, hita taratra fa niha-nihena tanteraka izany, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici