- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Karàna voaendaka, lasa ny vola 5 tapitrisa ariary

Analakely : Karàna voaendaka, lasa ny vola 5 tapitrisa ariary

Tsy ialàna fanendahana sy sinto-mahery Analakely tato ho ato, eny fa dia eo aza ireo voasambotra. Vao omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka kely tany ho any. Teratany karàna iray, nandeha fiara no lasibatr’ireo tontakely indray. Volabe no lasan’izy ireo raha ny fanazavana azo. Maromaro ry zalahy no niantsampy tamin’ny fiaran’ity rangahy ity, somary tavela tanaty fitohanana. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia efa voasokatra ny varavarana teo alohan’ilay fiara. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja no nahalasa ny sakaosy nipetraka teo ambony seza. Vola mitentina teo amin’ny dimy tapitrisa ariary teo no tao anatiny, raha ny fantatra hatrany. Nitsoaka avy hatrany izy ireo taorian’ny asa ratsiny, nafenin’ny haizina, tsy nisy azo natao. Mamely tokoa ny jiolahy, manjaka ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Hatreto, toa tsy mbola nisy drafitra maty paika hamongorana izany entin’ireo mpitandro filaminana. Eny fa na dia eo ihany aza ireo hetsika isan-karazany atao, ary ny fanaovana ny ain’izy ireo tsy ho zavatra. Saingy indrisy fa aina very maina fotsiny angamba. Voasambotra ny eo mantsy, manao ny ataony ny hafa ary mitondra teknika vaovao indray, hahazoana bebe kokoa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser