Omaly antoandro, lehilahy iray no hitan’ny olona nanendaka vazaha teny Analakely. Efa lasan’io mpandenaka io avokoa ny entan’ilay vahiny. Tsy nitazam-potsiny anefa ny olona fa avy dia namely an’ilay bandy. Tsy sahy nanohitra ny anao lahy fa lasa nandositra ary nanatona polisy. Na dia efa izany aza anefa, mbola nasina’ireo rehetra nahita ny zavatra nataony ihany. Farany moa, tsy maintsy namerina ny entan’ilay vazaha ity lehilahy ity. Ny mpanara-baovao dia samy gaga sy nifanontany tena manoloana izao fihetsik’ireo nidaroka ireo. Sambany mantsy voa nisy izany teny Analakely. Efa taona maro dia maro no nitazam-potsiny ny olona raha mahita mpanendaka. Ny sasany nilaza fa noho ny tahotra ny valy faty mety hataon’ireo mpisam no tsy hitenenen’ireo olona. Ny mpivarotra moa dia tena mangina avokoa, noho ny tahotra hatrany, na dia mahafantatra ny ankamaroan’ny mpangarom-paosy sy mpanendaka aza. Indraindray, misy mba sahy mibitsibitsika ihany mampitandrina ny mpiantsena. Dia mijanona eo.
Tsy mijanona ny asa fenendahana sy fanaovana sinto-mahery eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Vao tamin’ny fiandoahan’ny herinandro no nisy 15 lahy nosamborin’ny polisy. Ny tena mahavariana ny rehetra, afaka fotoana fohy ihany izy ireny dia hita eny an-toerana. Voalaza fa tsy misy mpitory ary dia alefa fotsiny amin’izao. Tsy eny amin’ny tsenan’Analakely ihany no misy toe-javatra sahala amin’izao fa saika amin’ny tsena lehibe rehetra eto an-drenivohitra : Mahamasina, Andravoahangy, Isotry sy Besarety. Na dia misy aza ny hetsika marobe ataon’ny mpitandro filaminana dia toa tsy mahafoana ny asa ratsin’ireo mpangalatra izany. Mpangalatra izay voalaza fa miandahy miambavy amin’izao fotoana izao.
r.s.