- Publicité SW45 -
dimanche, octobre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Maty omaly ilay lehilahy voadonan’ny 4x4 nentin’ny Sinoa

Analakely : Maty omaly ilay lehilahy voadonan’ny 4×4 nentin’ny Sinoa

Mpivarotra iray indray no namoy ny ainy raha nodomin’ny fiara tsy mataho-dàlana ana Sinoa ny alakamisy maraina lasa teo. Manoloana ny tranombarotra « Itokiana » Analakely no nitrangan’ny loza. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza dia fantatra fa mamo ilay Sinoa nitondra an’ilay fiara. Tsy nahajery ny làlana intsony ity farany satria tafakatra ambony « trottoir » sady nandeha mafy ka nifaoka ireto mpivarotra « sachet » sendra nandalo. Olona roa no niharam-pahavoazana teto : lehilahy iray 34 taona niaraka tamin’ny zaobaviny vao 16 taona monja. Torana tsy nahatsiaro tena intsony ilay lehilahy satria dia voa mafy tokoa teo amin’ny lohany. Ilay tovovavy kosa naratra be fa mbola nahatsiaro tena kosa. Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany ilay lehilahy. Saingy ny alin’io ihany, tokony ho tamin’ny sivy ora teo ho eo, dia tsy tàna intsony ny ain’ity raim-pianakaviana ity. Efa tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny polisy teo anivon’ny boriborintany voalohany sy ny « Commisariat central » nanao ny « constat ». Notànana teny amin’ny « Commisariat central » Tsaralalàna avy hatrany ilay Sinoa nanaovana ny fanadihadiana rehetra. Ilay fiara kosa nambenana tsy niala teny an-toerana hatramin’ny harivan’ny alakamisy mba hisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka. Taorian’ny fihaonana nisy teo amin’ilay Sinoa sy ny vadin’ity maty dia fantatra izao fa nanome lelavola mitentina telo tapitrisa ariary ilay Sinoa ho fandraisana an-tànana ny fitsaboana an’ilay tovovavy naratra sy ny fikarakarana ny razana.

Niony H.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici