- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Miandahy miambavy ireo mpisoloky finday

Analakely : Miandahy miambavy ireo mpisoloky finday

Miverina indray ny fisolokiana finday eny amin’iny faritra Analakely iny, raha nangingina tao ho ao izay. Ary tena miandahy miambavy mihitsy ny tontakely amin’izany asa ratsy ataony izany. Teo anatrehan’izay tranga miha-mahazo vahana izay, olona telo, kalazalahy amin’ity resaka fisolokiana ity, no saron’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana, taorian’ny fitoriana nataon’ny olona voan’izany, ny sabotsy lasa teo. Tsotra ny teknikan-dry zalahy sy zavavy ireto amin’izany. Misy lehilahy misarika ny mpividy. Miainga amin’ny fandresen-dahatra tsotsotra an’ireo hazany no tetik’ireto olon-dratsy ireto. Araka ny fantatra mantsy dia mbola tsy eny am-pelatan’izy ireo ilay zavatra hamidiny. Taratasy vita fitomboka ara-dalàna, misy ny lisitr’ireo finday, no entiny anadalana ireo olona ary angalany vola avy eo. Misy ny namany hafa, izay mody lazain’izy ireo fa olona efa « client » mpividy entana aminy, hanamafisana ny fahatokisan’ireo olona hosolokiana. Tao anatin’ny fanadihadiana anefa no nahafantarana fa mpiray tsikombakomba ihany ireto farany. Raha ity tranga tamin’ny sabotsy ity, dia lehilahy no nanadala ilay voasoloky ary vehivavy, mpiray trano taminy ihany, no nolazainy fa efa mpanjifa ny entany. Vola mitentina telo hetsy ariary teo no lasan’izy ireo tamin’izay fotoana izay, izay mbola tratra teny aminy tamin’ny fotoana nisamborana ireto mpisoloky rain-dahiny ireto. Hafa amin’ireo karazana fisolokiana miseho lany eny amin’iny faritra Analakely iny indray ity niseho ity. Ny finday miova savony sy vato mantsy no nalaza teo aloha, dia izao miova sy lasa mpamoaka entana indray ry zalahy. Mila mailo foana araka izany fa tsy misy misoratra eny amin’ny tampin-kandrina ny ratsy atao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser