- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mitombo isa ny mpivarotena ankalamanjana

Analakely : Mitombo isa ny mpivarotena ankalamanjana

Mampanahy mafy ny zava-misy eto Andrenivohitra ankehitriny. Mitombo isa izay tsy izy ny mpivarotena ankalamanjana. Ahitana izany avokoa eny Analakely ka hatrany Tsaralalàna. Ny loza dia tsy andro tsy alina no ahitana azy ireo mijorojoro eny rehetra eny. Tsy vitan’izay fa maro amin’izy ireo no hita fa mbola tanora dia tanora tokoa. Mahavelom-panontaniana ihany no antony mahatonga izany. Raha ny fanadihadiana natao aloha hatreto, dia ahafahana milaza fa ny tsy fisian’ny asa no antony mahatonga izany. Eo ihany koa ny hamafin’ny fiainana vokatry ny fahasahiranana nateraky ny fisian’ity valanaretina COVID 19 ity. Ity farany izay ahiana ny mbola hiparitahany hatrany noho ny tsy fanajana ireo fepetra sakana, ankoatry ny tsy faharisian’ny olona manao vakisiny fanefitra amin’izany. Fa ny tena loza dia ny fahitana fa ireo mpiavro-tena ireo dia tsy mba manao arovava sy orona akory. Ankoatry ny mety hanaparitahan’izy ireo ity COVID Ity dia eo ihany koa ny aretina hafa toy ny VIH-SIDA izay hita tato ho ato, araka ny tatitra navoakan’ny Ministeran’ny fhasalamana, fa misoko mangina eny ihany ka miakatra dia miakatra ny isan’ireo olona voan’izany. Fa ny tena mampahalahelo dia ny mahita fa sahirana dia sahirana ireo ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo-Rénivohitra manadio ireo loto avelan’ireny mpivarotena ireny eran’ny arabe sy eny amin’ny maizimaizina rehetra reehefa tonga ny maraina. Tonga angamba ny fotoana tokony handraisan’ny tompon’andraikitra voakasik’izao toe-javatra mandratsy endrika ny firnena izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici