- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Miverina indray ny bizna volamena

Analakely : Miverina indray ny bizna volamena

Tsikaritry ny besinimaro tato ho ato fa miverina ary eo amin’ny toerana misy azy ireo taloha ihany ireo mpanao bizina volamena eo Analakely. Mividy ireo volamena entin’ny olona sahirana ara-pivelomana sy ireo izay vao avy nendahin’ny olon-dratsy teo amin’ny manodidina no tena manavanana azy ireo. Teo aloha dia efa nisy ny didy nandràra ny vidy sy varotra volamena teo Analakely, saingy niverina tanteraka izy amin’izao fotoana izao. Mazava raha betsaka ny risika amin’ny fanendahana ireny firavaka sarobidy ireny eo an-toerana, satria bizina faran’izay haingana ary vola eo no ho eo ho an’ireo mpanao sinto-mahery. Hatreto dia tsy fantatra mihitsy ny làlan’ireo volamena na dia efa maro aza ny nosamborina sy nidoboka am-ponja mahakasika ny fanaovana io asa voaràran’ny lalàna io. Tamin’ny taon-dasa dia nisy manamboninahitra ambony nilaza fa manodidina ny 200 kilao isan’andro no mivoaka eto amin’ny sisin-tanin’i Madagasikara. Efa maro koa no nivoaka teny amin’ny seranam-piaramanidina ary matetika efa any ivelany vao sarona. Midika izany fa miasa anaty tambajotra matanjaka ireo mpanondrana volamena tsy ara-dalàna ary heverina fa isan’ny hiaingan’izany ny eo Analakely.  Efa misy anarana voantonontonona hatrany ny amin’ny mpanambola izay mpandray ny entana saingy tsy mety tonga hatrany mihitsy ny fanadihadiana. Mijanona eo amin’ny fandrohana ireo olona tsy hivarotra ny fandraisana andraikitra ary fantatra mazava anefa fa tsy maintsy hiverina eo ihany izy ireo hanao ny asa fanaony an-davan’andro…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser