Lasa ihany ny saina hoe manana tsindrimandry sa manao inona ireo mpanendaka, no mahatsikaritra volabe any amin’ olona iray ? Toy ity nitranga tetsy Analakely omaly hariva ity. Lehilahy iray, manodidina ny 30 taona teo ho eo mantsy, no sendra ny jiolahy indray teny an-toerana, manakaiky ny fiantsonana taxibe, mifanandrify amina toerana trano fandraisam-bahiny iray teny an-toerana. Raha ny vaovao azo teny an-toerana, dia toa hoe avy nanakalo vola vahiny ity lehilahy ity ary nitondra sakaosy nisy vola, manodidina ny enina tapitrisa ariary teo ho eo. Bandy telolahy avy hatrany no nanodidina azy sy nitaky ny sakaosy nisy ilay vola ; izay nentin’ity tovolahy ity. Raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana hatrany, dia tsy nanaiky mora foana izany ranamana ary somary nanohitra mihitsy aza. Haza efa an-tanan’ny amboadia anefa, ka tsy navelan’ireo olon-dratsy raha tsy azony. Tsindrona antsy avy hatrany no nihatra tamin’ity tovolahy ity ary nentin’ireo olon-dratsy nitsoaka ny sakaosy nisy vola. Fantatra fa nisy mpiambina teo amin’ilay trano fandraisam-bahiny ary mbola betsaka olona niandry taxibe ihany teo amin’ny fiantsonana, izay tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany ho any. Saingy indrisy fa tsy afa-nanoatra izy ireo. Nifamonjena haingana nentina tany amin’ny tobim-pitsaboana moa ity lehilahy lasibatry ny asan-jiolahy ity. Ny mahavaka ireo mpanara-baovao dia hoe, tsy nisy ny voasambotra tamin’ireo tontakely teny amin’ity faritra Analakely ity, izay tsapa tokoa tato ho ato ny firongatry ny sinto-mahery sy ny tsindrona antsy, saingy toa mbola manao ny ataony foana ny hafa. Efa nilamindamina izy io tao ho ao, saingy mirongatra be indray herinandro vitsivitsy lasa izay. Ny mahavariana anefa, dia tsy tahotra tsy henatra intsony ny afitsok’ireo olon-dratsy, kanefa dia tobina mpitandro ny filaminana roa be izao no eny an-toerana.
m.L