- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka 15 voasambotra

Analakely : Mpanendaka 15 voasambotra

Eo anelanelan’ny amin’ny efatra maraina, ka hatramin’ny dimy matetika no tena manao ny asaratsiny ny mpanendaka eo Analakely, fa tsy arakaraka eritreretin’ny maro hoe amin’ny alim-be. Niainga tamin’ny fahafantarana an’izany no nanaovan’ny pôlisy misahana ny boriborin-tany voalohany hetsika hamongorana azy ireo, ny alin’ny alarobia teo. “Efa nofantarinay mialoha avokoa ny mombamomba azy ireo ary nampitahanay tamin’ny karazan-tsary anananay eto am-pelan-tànana. Nitombina tokoa rehefa natao ny fidinana an-tsehatra” raha araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny komisarian’Analakely. Samy manana ny fiafenany sy ny fialokalofany avokoa ireo mpanendaka. Tao ny tetsy amin’ny “pavillon” no nosamborina. Teo ihany koa ny tao anaty tsihy eo ambany “arcade”. Izany dia ankoatra ireo izay mbola nanatontosa ny asany ka niparitaka erak’Analakely. Raha ny fanazavan’ny pôlisy hatrany, dia nisy dimy tratra teo am-panatontosana ny asaratsiny. Mbola nahatratrarana antsy sy “lame” teny amin’izy ireo. Haterina eny amin’ny Fampanoavana anio ireo mpanendaka ireo raha araka ny vaovao azo. Nisy amin’izy ireo no efa nigadra ary nivoaka vao tsy ela akory ny fonja. Midika izany fa tsy olana amin’ny mpanendaka intsony izany hoe mandalo eny Antanimora izany. Na koa mety misy olona ao ambadiny, miaro azy hany ka toa toeram-pandalovana ao anatin’ny fotoana fohy fotsiny ny atao hoe fonja amin’izy ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser