- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka enim-bavy voasambotra, efa nigadra ny roa

Analakely : Mpanendaka enim-bavy voasambotra, efa nigadra ny roa

Mpanendaka  enina, vehivavy avokoa no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany  voalohany Analakely, tamin’ny sabotsy lasa teo. fantatra fa ny roa tamin’izy ireo dia efa avy nanefa sazy tany an-tranomaizina. Mpirahavavy izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hamongorana ny afitsok’ireo mpanao sinto-mahery, endaka ary harom-paosy ity nataon’ny mpitandro filaminana ity. Araka ny fantatra moa dia ny lehilahy, na ny marina kokoa ity mbola sakan-jaza no tena manao ity asa ratsy ity, ary lahy avokoa. Izoa anefa, hay koa efa mirotsaka an-tsehatra ny vehivavy. Maro ny fitarainana tonga eny amin’ny biraon’ny polisy eny Analakely. Misy amin’ireny no manondro vehivavy ho tompo-marika amin’ny fangaronana paosy. Tsy eny Analakely ihany anefa, fa saika eny amin’ireo tsena malaza eto Andrenivohitra no hanaovan’ireto olona ireto ny fanendahana. Tonga hatreny Isotry, Mahamasina, Andravoahangy ry zavavy. Voalazan’ny vaovao fa manafika any amin’ny faritany koa izy ireo, Mahajanga, Fianarantsoa ary Toamasina. Tsy mandeha irery fa miaraka, manofa hotely ary rehefa tonga ny fotoana mety hanendahana, indrindra ny andro tsena, dia mirotsaka manao izany asa ratsy izany. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vehivavy ihany koa no tena lasibatra amin’izany. Eny amin’ireny fivarotana “friperie” ireny no fanaovany ny fangalarana. Miseho ho mpividy izy ireo ary amin’izay fotoana izay no mangarona paoketra izay tonga amin’ny fandidiana ireny sakaosy isan-karazany ireny mihitsy aza. Ireo efa niharan’ny halatra dia samy niteny fa mody mitambesatra avy aoriana ireo vehivavy ireo. Samy Dodona ny hahazo ny tsara moa ka tsy misy ny mahatsikaritra. Hay ny paosy no efa voaharona. Tany amin’ny fotoana taloha elaela tany, tsy latsaky ny dimy na enina ireo vehivavy mangalatra entana eny an-tsena, indrindra tamin’ny fisian’ny fivarotana tsy niato teny Analakely. Misy ny mitrotro zaza manontany vidin’entana. Avy aoriana ny namany misintona ny lamba. Efa lasa izy ireo, ary tsy nividy akory, vao tonga saina izay voaroba.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy enina ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici