- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka enina mianadahy voasambotra

Analakely : Mpanendaka enina mianadahy voasambotra

Saika tsy ampy taona avokoa  ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny amin’iny faritra Analakely iny. Porofon’izany ireto saron’ny pôlisy ny zoma lasa teo, nandritra ny hetsika ho famongorana ireo mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery nataon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny boriborintany voalohany. Olona enina mianadahy no voasambotra tamin’izany, ka tafiditra ao anatiny ireo mpangalatra sy mpandray halatra. Raha ny vaovao voaray dia mpanendaka iray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, teo am-panendahana kavina volamena, no nanoro ireo namany hafa sy ny mpandray ireo entana halatra ka nahafahana nisambotra izany. Tsy ampy taona avokoa ireto mpanendaka voasambotra ireo, niisa efatra. Roa tamin’izany kosa, izay nahitana vehivavy, ireo mpandray entana halatra. Isan’ny tratra, tamin’ity hetsika ity, ihany koa ny rain-dahiny sy efa fantatry ny maro amin’ny fanendahana, antsoina hoe Rasoa, izay efa imbetsaka ihany no niditra tany amin’ny akany fananeranana saingy mbola miverina manao ny ataony raha vao mivoaka avy any. Tsapa ho nihena dia nihena tokoa ity asa ratsy fanendahana ity teny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny tato ho ato, tamin’ny fisian’ity hetsika ity ary noho ny ezak’ireo pôlisy, miezaka ny hamongotra hatrany ity asa ratsy ity. Na izany aza, tokony hisy ihany ny fepetra raisina manokana hanabeazana ireo ankizy, tsy hiverenany intsony amin’ity asa ratsy ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser