- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka roa maty voatifitra

Analakely : Mpanendaka roa maty voatifitra

Roa lahy izay vao avy nanendaka olona hamonjy fodiana ka nandalo teo Analakely, no nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana. Mbola nanohitra sy nampiasa hery izy ireo hany ka tsy maintsy nampiasa basy, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Lavo teo ny roa lahy. Vao tamin’iny herinandro iny mihitsy no nampikaikaika ny maro ny tsy fandriampahalemana teo amin’ny boriborin-tany voalohany. Isan’izany ny fanafihana tao anaty taxi-be teo amin’ny tonelina Ambohidahy. Io dia fiara fitateram-bahoaka izay tratran’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no nidiran’ny jiolahy mitam-basy. Voaendaka hatramin’ny peratra mariazin’ny mpandeha. Mbola nahoraka teo Analakely koa ny fisian’ny tovovavy iray izay voaendaka raha avy nanakalo vola malagasy ho devizy tao amin’ny banky iray teo an-toerana. Lasa hatramin’ny pasipaoro an’ilay tovovavy ary dia voatery najanona ny fandehanany any ivelany vokatr’izany fanendahana ny taratasy rehetra momba azy izany sy ny vola. Nilaza ilay vehivavy tamin’ny tambajotra sosialy fa fialonana ny tao ambadik’ilay nanjo azy. Na izany aza aloha dia niendrika asaratsy ny fisehony ary azo sokajiana ho tsy fandriam-pahalemana. Mety ho valin-kafatr’izay rehetra nitranga teo Analakely izay avokavoky ny renivohitra no nisian’ny fisafoana mafimafy tato ho ato. Na teo aza izany ny fandraràna tsy hiditra ny 13 mai amin’ny atoandro, ny alina dia nihevitra ny mpanendaka fa malalaka ny làlana satria nody ny mpitandro ny filaminana 3000 isa. Diso hevitra ihany anefa izy ireo satria ny fisafoana andavanandro dia nisy ihany ary dia nifandona tao anatin’ny haizina ny jiolahy sy ny polisy ka nahalavo iretsy voalohany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici