Mitohy tsy mijanona ny hetsika ataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany etsy Analakely. Fantatra izao fa mpanendaka amin’ny alina miisa valo indray no nosamborina tamin’ny alahady lasa teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa maro amin’izy ireo no efa nigadra indroa fara-fahakeliny. Vao mivoaka ny fonja anefa dia mamerin-keloka. Misy ihany koa ny tsy ampy taona efa nisazy.
Io alahady io, tamin’ny 11 ora alina, teo am-pijokoana olona nandalo teny amin’ny Zaimaika no tratra ny telolahy. Rapa 18 taona ary efa nigadra indroa teny Antanimora. Bota 18 taona efa teny Antanimora sy teny Anjanamasina. Ao koa izany Mainty izany, intelo teny Antanimora. Manamarika ny polisy fa izy telolahy ireto dia eny amin’iny Analakely iny no fanaovany sinto-mahery. Naman’ilay mpanendaka antsoina heo Alamo, izay voasambotra tamin’ny faha-7 desambra lasa teo. Nanapoaka basy ny polisy tamin’izay vao nijanona izy io. Ireo namany telo voatonona etsy ambony kosa afaka nandositra. Nanomboka teo dia efa nandrasan’ny mpitandro filaminana ry zalahy.
Ny alahady alina, tsy nijanona teo ny fisamborana fa tratra teny amin’ny Esplanade ny antsoina hoe Nirina Kely, 15 taona. Efa nisazy indroa teny amin’ny zaza maditra Anjanamasina ary indray mandeha teny Antanimora. Vao nivoaka ny fonja tamin’ny 30 oktobra teo. Nisy izany mpanendaka antsoina hoe Rivotra izany koa voasambotra, olona efa nigadra intelo. Ny olona tratra hariva no tena lasibatr’izy roalahy ireo.
Teny Ambodifilao, tratra ihany koa Mariot, 15 taona. Rehefa nohadihadiana ny anao lahy dia nilaza fa vao saika hangaroam-paosy izy tamin’io fotoana io ary sambany no hanaovany izany. Nahitana finday iray anefa tany aminy izay nolazainy fa nalainy tao am-paosin’olona niandry taxi-be. Voasambotra koa i Marius, 14 taona, efa nisazy teny amin’ny zaza maditra. Nitohy hatrany ny fisamborana ka teny Antaninerenina no tratra Ranany. Fitarainana maro no efa tonga tany amin’ny polisy mikasaika ity tovolahy ity.
Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy rehetra ireo.
nangonin’i r.s.