- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka volamena sy mpividy volamena halatra 6 voasambotra

Analakely : Mpanendaka volamena sy mpividy volamena halatra 6 voasambotra

Mpanendaka volamena roalahy no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany teny amin’ny faritra Analakely tamin’ny zoma teo. Samy efa nigadra izy roalahy ireo noho io asa ratsiny io.Teo am-panendahana olona avokoa izy ireo no sarona. Rehefa nofotorana ny iray voalohany dia nanondro ny olona mpandray ny volamena angalariny. Nojokoina teny akaikin’ny « Institut d’hygiène » ilay izy ka tsy afaka nihetsika fa noraisim-potsiny.

Fa mbola tamin’ny zoma ihany koa no nisamborana lehilahy iray mpanao sinto-mahery. Ity lehilahy dia ny andro harivariva no tena fanaovany azy, ka mbola volamena ihany koa no tena alainy. Tokony ho tamin’ny 6 ora no traingo izy. Rehefa natao ny famotorana azy dia nilaza ny anao lahy fa misy olona mpandray ireny « entana » ireny. Olona maromaro no notondroiny ary nolazainy fa famarotany ireny volamena ireny. Telo vavy no tratra teny Analakely, eny amin’ny toerana fividianany ireny zavatra halatra ireny.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana eny Anosy izy enina ireo.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser