- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpangalatra anaty fiara sy mpanendaka efatra voasambotra

Analakely : Mpangalatra anaty fiara sy mpanendaka efatra voasambotra

Malaza ratsy tokoa ny faritra Analakely raha ny endaka sy asan-jiolahy isan-karazany no lazaina. Tamin’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, bandy telo no indray tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany namaky fiaran’olona. Ny vaovao voaray no ilazana fa efa tena anisan’ireo raindahany amin’ny halatra ireto voasambotra ireto. Misy izany Bozy sy Bendel izany, izay efa nigadra indroa avy. Ao koa i Maminiriana, intelo nigadra. Tamin’ity indray mandeha ity, teo am-panaoana ny halatra izy ireo no voasambotra teny amin’ny Arcade Analakely. Ny fahefatra antsoina hoe Thomas dia eny Behoririka no toerana fanendahany. Ny sabotsy maraina izy io no traingo.

Raha atao indray mijery, samy efa olona nigadra ary mamerin-keloka avokoa ireto vosambotra ireto. Ilay Bendel, voalazan’ny vaovao dia efa tratra tamin’ny taona 2012. Rehefa nentin’ny mpitandro filaminana hanoro ny namany monina teny Tanjombato izy io dia tafaporitsaka.

Mitohy hatrany araka izany ny ezaka atoan’ny polisy amin’ny famongorana ny asa fanendahana sy sinto-mahery eny Analakely sy ny manodidina. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireto.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser