Saron’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany, etsy Analakely, ny mpanendaka rain-dahiny roa lahy, ny alakamisy sy zoma lasa teo. Ny voalohany fantatra amin’ny anarana hoe Papa ; izay vao 16 taona monja, dia noraisim-potsiny raha iny izy handeha hisakafo iny, raha ny nambaran’ireo mpitrandro filaminana. Ity mpanendaka rain-dahiny, raha ny fantatra hatrany, dia vao avy nanendaka sinoa teny amin’ny Arcade ny alakamisy, niaraka tamin’ny namany efa-dahy. Sendra ny nahay noho izy anefa ireto farany ka tsy nahazo na inona na inona ary tafatsoaka. Ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahatratrarana azy teny amin’io toeram-pisakafoanana io. Raha ny voalaza hatrany dia ny fanendahana volamena no talenta ratsin’ity Papa ity. Efa imbetsaka ihany koa izy no niditra am-ponja noho io resaka halatra io, raha ny voalazan’pôlisy hatrany. Ny iray kosa dia lehilahy 32 taona, antsoina ho Feno. Teo am-panaovana ny asa ratsiny kosa indray ity farany no tratran’ny pôlisy avy amin’ny kaomisaria boriborintany voalohany. Fantatra fa ramatoa nitaiza kely no nendahiny tamin’io. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana azy no nahafantarana fa ny finday sy ny pôketra ary ny vola no tena tilian’ity olon-dratsy ity. Amin’izao fetin’ny krismasy sy faran-taona manatomotra izao dia mitohy hatrany ny ezaka, ary manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo mpitandro filaminana amin’ny famongorona ireo mpangarom-paosy sy tontakely, indrindra fa ireo pôlisy miandraikitra ny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Manentana ny mponina hatrany ireo mpitandro filaminana, tsy hisalasala hampilaza azy ireo ny amin’ny fisiana tranga na olona mampiahiahy.
m.L