- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpangarom-paosy sy mpisoloky amin’ny finday savony, voasambotra

Analakely : Mpangarom-paosy sy mpisoloky amin’ny finday savony, voasambotra

Maro tamin’ireo tia misera finday teny amin’iny faritra Analakely sy Petite Vitesse iny no efa tratran’ny finday miova ho savony. Roalahy izy ireo ary miovaova foana ny toerana hanaovany ny asa ratsiny. Ny talata lasa teo no saron’ny pôlisy, tetsy Antaninarenina ry zalahy ireto, rehefa ela nitoratorahana … savony. Araka ny fampitam-baovao avy amin’iretsy mpisambotra, ambonin’ny fisolokiana dia sady mpangarom-paosy ikohizana ihany koa izy roalahy ireto. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ry zalahy ireto  izao tratra izao. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo mantsy, dia mbola nahitana finday « tactile » tany amin’izy ireo, izay nambarany fa vao avy nalain’izy ireo tamin’ny olona teny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona. Ary dia io saika hamidin’izy ireo sy nanambakany olona teny Antaninarenina io.

Tena rain-dahiny amin’iny fisolokiana mihitsy ry zalahy ireto. Raha ny vaovao hatrany mantsy, dia efa nahatratra tany amin’ny 13 tany ho any ny isan’ireo olona tratran’izy ireo tamin’ity finday savony ity, tamin’ity volana desambra ity fotsiny. Savony nofisahana sy nosokirina haka endrika finday mihitsy no entin’izy ireo, ary ataony ao anatiny tranona « téléphone » na « housse » tena izy. Finday tena izy no hanadalàny ny sain’ireo lasibatra. Mora tena mora ilay entana amin’izany, satria dia  40.000 ariary eo monja. Rehefa raikitra ny sera. Haingana sy tsy araka mihitsy ny fanovà-maso ataon’izy ireo. Fonosin’izy ireo tsara mantsy ilay zavatra vao avy novidiana, ka tsy avelany sokafana raha tsy tonga any an-trano na lasa lavitra ilay toerana. Any ilay olona vao very vola, satria dia savony no novidiana lafo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto atidoha niketrika ny finday « savony » nampikaikaika ny maro hatramin’izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici