- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpibizina volamena 11 nosamborina

Analakely : Mpibizina volamena 11 nosamborina

mpibizinaMpividy volamena tsy ara-dalàna nahatratra 11 no nosamborin’ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany voalohany, ny alakamisy lasa teo, nandritra ilay hetsika “mpividy volamena” nataon’izy ireo io andro io, teny amin’iny faritra Analakely. Nanodidina ny Lapan’ny Tanana sy nanakaiky ny Epp Analakely no nahatrarana azy ireo, araka ny fampitam-baovao azo.

Mametraka “régime”. Azo lazaina fa ireto mpibizina volamena eny Analakely ireto no isan’ny mandrisika ny tahan’ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana, indrindra fa amin’ny resaka sinto-mahery. “Misy amin’izy ireo no sady mpividy volamena no mpividy entana halatra avy amin’ireo mpanendaka eny an-toerana. Manome regime na vola ireo mpanendaka izy ny maraina ka rehefa mahazo izy ireo dia any aminy ihany no amidy” hoy ny vaovao. Talohaloha teo, efa nisy ihany ny fepetra navoakan’ireo mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, manafoana ity fanaovana bizina volamena eny Analakely io. Saingy toa ireo didy sy fepetra avoakan’ny Fanjakana moa, voahaja sy terena hajaina fatratra ao anatin’ny herinandro, iray volana, raha misy dia misy dia niverina indray izany. Efa nisy tamin’ireto voasambotra ireto no efa im-betsaka ihany nandalo sy nanaovana fanadihadiana tao amin’ny pôlisy ary dia izao tratra izao indray. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto mpibizina volamena tratra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici