Eo anatrehan’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ho famongorana ireo mpivarotra sy mpividy volamena tsy ara-dalàna teny amin’iny faritra Analakely dia nanatanteraka hetsika omaly ny pôlisy. Vokany, mpibizina volamena efatra mianadahy no voasambotra teny amin’iny manodidina ny Shoprite iny. Tratra am-bodiomby mihitsy ireto olona ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany, ary teo am-piantsoantsona, toy ny fanaon’izy ireo no tonga ireo pôlisy. Nisy avy hatrany ny nitsoaka raha vao nahita mpitandro filaminana. Marihana hoy ny vaovao fa ny firoboroboan’itony fivarotana sy fividianana volamena tsy ara-dalàna, manenitra ny tambohon’Analakely itony, no isan’ny antony iray mampirongatra ireo mpanendaka. Eny amin’ireny olona ireny ihany mantsy ireo olon-dratsy no mivarotra izay entana avy nangalariny tany ho any. Misy mihitsy aza moa ny sasany amin’ireo mody mibizina volamena ireo no tena olon-dratsy, mitily fotsiny izay mety ho hazany. Ao indray kosa ireo mpisoloky efa hikoizan’ny maro. Omaly ihany no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona voasambotra ireto. Amin’izao fotoana izao, dia efa miezaka ny hampanara-dalàna ireo olona sasany tsy mbola amin’izany kanefa mandraharaha amin’ity resaka volamena ity ny Fanjakana.
m.L