- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpisam 14 voasambotry ny polisy

Analakely : Mpisam 14 voasambotry ny polisy

Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery  hatrany amin’ny 14, no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany etsy Analakely, ny herinandro teo. Izany dia vokatry ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana izay mitohy tsy mijanona. Fantatra tamin’izany fa, ny efatra tamin’ireo bandy ireo, dia tsy ampy taona. Manamarika manokana ny mpitandro filaminana fa efa tena rain-dahiny amin’ny sinto-mahery ry zalahy ireto ary efa intelo voasambotra. Vao avy nivoaka teny amin’ny fitazonana zaza maditra eny Anjanamasina izy ireo, dia izao mamerin-keloka izao indray. Ny tena mahavariana amin’izao fisamborana azy 14 lahy izao, dia ny filazany fa asany hono ny fanendahana sy ny sinto-mahery eny Analakely sy ny manodidina. Ny dimy, araka ny vaovao hatrany dia olona efa nigadra avokoa noho ny resaka fanendahana. Avy amin’ny faritra maro eto andrenivohitra sy ny manodidina ireto mpanendaka ireto. Misy ny avy any : Mahitsy, Ambanidia, Antohomadinika, Ambohimangakely, Ankazotoa, Anosipatrana, Ankasaina, Anosibe, Ambohibarikely sy Ambohimahitsy… Avy eny amin’ity tanàna ity ny maro amin’izy ireo ary saika olona efa nigadra avokoa. Efa natolotra ny Fampanoavana tamin’ny asabotsy  teo izy rehetra ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser