- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpisoloky antitra anankiroa voasambotry ny pôlisy

Analakely : Mpisoloky antitra anankiroa voasambotry ny pôlisy

Tsy mifidy tarehy, tsy misy taona tokoa ny mpanao ratsy, raha ity trangana fisolokiana ravan’ny pôlisin’ny kaomisarian’Analakely ity no dinihana. « Bebe » sy « dadabe » mananiky ny 50 taona no voasambotra, teny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Raha ny fanazavana azo dia mpisoloky hikoizana izy ireo ary efa maro ihany no lasibatra sy very vola. Olona efa nahazoazo taona izany tokoa ve hisy hanampo fa hoe hisoloky ? « Toy izao ny fanaon’izy ireo: mijery ireny olona miantsena amin’ny magazay ireny ary lazainy fa mahita entana mora izy ireo. Entiny manaraka azy hijery ny toerana misy ilay entana ny olona ka rehefa tonga eo dia lazainy fa tsy azo hidiran’olon-kafa ankoatran’izy ireo ny trano fitehirizan’entana. Alainy ny vola ary mandositra izy ireo avy eo » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy.

Efa maro loatra ireo fitarainana azon’ny teo anivon’ny polisy ka nanosika azy ireo hametraka velam-pandrika hisamborana azy ireo. Tafaroboka tao anatin’izay tokoa izy roa ireto ka dia izao tsy afa-maina izao. Efa nadoboka avy hatrany teny Antanimora moa ireto farany, taorian’ny fampiakarana azy teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici