- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpitondra môtô nandositra rehefa avy nandona vehivavy bevohoka

Analakely : Mpitondra môtô nandositra rehefa avy nandona vehivavy bevohoka

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny Analakely omaly maraina. Môtô iray no nandona vehivavy iray, izay araka ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia mitondra vohoka. Nandriaka ny rà ary naratra mafy vokatr’izay ity farany. Tsy nijanona akory namonjy ity olona nodominy anefa ilay zalahy nitondra an’ilay kodiaran-droa fa vao mainka nanamafy ny hafainganam-pandehany, nitsoaka. Ireo olona teny an-toerana, rehefa avy nampilaza ireo mpitandro filaminana no niolomay nitondra ity naratra, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony, tany amin’ny toeram-pitsaboana haingana. Avy hatrany moa dia nampidirina tao amin’ny sampana vonjy taitra teny amin’ny hôpitaly izy ary efa manao izay azo atao ireo mpitsabo amin’ny fitsaboana azy, hoy ny fanazavàna azo teo anivon’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, izay tonga nanao ny fizahana ifotony teny an-toerana. Hatreto, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra, dia mbola eo am-pikarohana ilay mpitondra môtô nahavanon-doza izahay.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici