Tsy mijanona amin’ny eny an-dalana intsony amin’izao fotoana ry zalahy tontakely fa efa mananika ny sehatra avoavo kokoa. Tonga hatrany amin’ny fikirakirana ny haitao avo lenta sy ny aterineto mihitsy aza. Tovolahy iray saika hividy môtô, tamin’ny alalan’ny tolotra hitany tao anatin’irony tambajotra sosialy irony no sendra ny patsa iray tsy omby vava, ny alatsinainy hariva lasa teo. Raha nifanao fotoana tamin’ireo olona mpivarotra mantsy ny tenany, teny Analakely io andro io, efa bandy maromaro niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no niandry azy teo. Lasa avokoa araka izany ny vola rehetra tany amin’ity tovolahy ity, izay saika hividianana ilay môtô. Amin’izao fotoana izao tokoa dia efa lasa fanjonoan’ireo olon-dratsy ireo fitaovan-tserasera ireo. Efa tsy vitsy tokoa mantsy izay ireo olona lasibatra, ka na very fananana sarobidy na very vola an-tapitrisany maro. Toy ny nahazo ity tovolahy ity izao, dia mety ho narantirantin’ireo jiolahy ity « môtô » ity ary mety ho tamin’ny vidiny mora dia roboka tokoa ilay olona. Rehefa tonga ny fotoana hifanomezana, hangalana ny entana dia efa vonona amin’ny angady sy ny harona ireo olon-dratsy, satria amin’izao fotoana izay, tsy maintsy hoe hitondra vola ilay olona. Hatreto aloha dia fakan-tsary, môtô, finday no tena fitaovana hanjonoany sy lasibatra ihany koa etsy andanin’izay. Ny ankabeazan’ny olona tokoa mantsy izao dia efa saika ao anatin’ireo tambajotra sosialy ireny. Ary betsaka amin’ireo olona ireo ihany koa no efa mamadika ity fitaovana teknôlojika ity ho tsenam-barotra. Noho izay, isan’ireo toerana ankafizin’ireo olon-dratsy hanantanterahana ny asa ratsiny ny aterineto ankehitriny. Tokony ho samy mailo sy hitandrina tanteraka araka izany ny tsirairay fa tsy kely lalana tokoa ny ratsy.
m.L