Voaendaka raha nivoaka ny fiara mba hamonjy toeram-pivarotam-panafody teo Analakely. Izay no nanjo an’i Zatia Rocher, ilay sarim-bavy malaza eto Madagasikara. Mba nanao ny tokony natao rehefa niharan’ny asan-jiolahy ny tenany avy amin’ny fanatonana ny biraon’ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny boriborintany. Tao amin’ny kaomisaria etsy Analakely araka izany ny tenany no nandeha mba hitaraina. Teo no nitranga ny olana. Nilaza i Zatia Rocher fa valin-teny an’avona no azony. Isan’izany ny fahasorenan’ilay polisy izay mpiandry raharaha – ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy – ka nilazan’io farany fa manelingelina azy amin’ny torimasony i Zatia Rocher. Teo no niakatra ny maripana ary nifandona am-bava ny roa tonta. Voarakitra anaty horonan-tsary izay nozarain’i Zatia Rocher iny alina iny ihany izany rehetra izany. Nanaovany antso avo aza ny mba hifampizaràn’ny olona mpanjohy tranonkalam-pifandraisana ary dia tena nahomby tokoa izany. Vao nanokatra tambajotram-pifandraisana ny olona dia samy nahita ny zava-misy ary toa hadino vetivety indray aza ny raharaha Appolo fa nitodika tany amin’i Zatia izay nanitsy ny polisin’Analakely ny maso. Niakatra ny hatezeran’i Zatia satria nahatsapa ho voa mafy indroa izy iny alina iny. Sady efa voaendaka no mbola tsy voaray koa ny fitarainany noho ny hasorenana fa sady sarim-bavy izy no nanapaka torimaso. Porofo mitohoka amin’ny tenda momba ity tranga ity ny horonan-tsary roa sosona ary mba tokony hanaitra ny lehiben’ny polisy. Tetsy Anosy omaly, nampiasaina avokoa ny fepetra faran’izay mafy mba hanomezana sary fa tena mafy ny mpitandro filaminana. Ny alin’iny, etsy Analakely, sorena raha voakotaba tamin’ny torimaso ny mpiandry raharaha…
D.R