- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Nambenana fatratra

Analakely : Nambenana fatratra

AnalakelyNahitana pôlisy isaky ny kihon-dàlana, eo ivelan’ny fiangonana, ireo toerana maromaro olona, ireo fivarotan-tsolika, ny banky ary koa ireo toerana heverina fa mety ho lasibatry ny olon-dratsy. Izay no tsikaritra teny amin’ny boriborintany voalohany nandritra ny fetin’ny Noely teo. Fepetra izay efa fanaon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity  rehefa vanin’andro fety. Nahitam-bokany izany, satria nandeha am-pilaminana ny fety teo amin’io toerana izay be olona indrindra eto an-drenivohitra io rehefa fety. Nisy ihany gafigafy kely majinijinika  noho ny hamamoana, saingy rehefa nahita ny mpitandro ny filaminana izy ireo dia niverina nilamina indray. Hita ho nivezivezy teo an-toerana rahateo nandritra ny roa andron’ny fety, ireo fiara tsy mataho-dàlana izay nijirika ny mpanao ratsy, no sady vonona ny hiditra an-tsehatra, izany dia ankoatr’ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana eran’Analakely. Tokony hotohizana matetika…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser