Mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no naripaka. Izay no azo ilazana ireto mpiasa teo anivon’ny toerana fikojakojana tarehy iray etsy Ampasamadinika. Firavaka volamena (bracelet) milanja 20 girama izay nipirina tao anaty fitoerany no nanjavona. Teo dia efa niahiahy ny tompon-trano fa ny mpiasa no tompon’antoka tamin’ny halatra. Nifandraika tamin’izay ihany koa dia niantso ny banky ary nanamarina raha nisy olona nirahiny haka vola amin’ny taratasim-bola nosoniaviny. Raha mbola teo am-panamarinana ireo mpiasan’ny banky dia efa nitsoaka moramora tao ny ramatoa iray izay saika haka ny vola mitentina 1,75 tapitrisa ariary. Rehefa nilaza ny tompon’ny taratasim-bola fa tsy nanome alàlana na iza na iza haka vola, avy hatrany dia nandray fepetra ny banky. Nametraka fitoriana rahateo ny tompon’ny « chèque » ary nanokatra fanadihadiana ny polisy. Isan’ny nanampy tamin’ny fahitàna ny olon-dratsy ny kara-panondrony izay tavela tao amin’ny banky rehefa nitsoaka izy. Niainga tamin’izany ny fisamborana ary rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa vady teo aloha an’ny mpamilin’ilay madama tompon-trano ihany io voasaringotra voalohany io. Nohazavainy avy eo fa ilay mpamily no niray tsikombakomba taminy. Nangalàn’ireo raviny efatra ny taratasim-bola an’ilay madama mpampiasa. Nosamborina koa io saofera io. Tsy nijanina teo anefa ny fanadihadiana ary mbola voamarina koa fa mbola ao anatin’ilay ekipa nangalatra koa ny lehilahy iray hafa izay mpanadio trano no asany. Io no nampandre an-telefaonina ilay ramatoa saika haka vola tao amin’ny banky ary nilaza taminy mba hiàla tao avy hatrany satria efa mifampiantso ny banky sy ny tompon’ny kaonty. Ankoatr’izay dia io voalaza ho naka ilay volamena. Natolotra ny fampanoavana ireo olona telo omaly noho ny halatra sy firaisana tsikombakomba amin’ny halatra. Azo heverina anefa fa mbola olona natokisana ihany matoa nekena ho mpamily izay mahita ny fiainan’ny mpampiasa azy isan’andro. Torak’izany koa ny mpamafa trano izay afaka miditra eraky ny efitra ary mahita ny fiainan’ny olona ao an-trano. Kinanjo ireo indrindra no namorika…
D.R