Niverina indray omaly ny olana eo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny mpitandro filaminana. Ireto farany izay nidina teny an-toerana mba hampihatra ny didy navoakan’ny kaominina amin’ny tsy maintsy hanohizana ny fanadiovana ny tsena sy ny tanànan’Antananarivo. Mpivarotra maro izay voarara tsy hivarotra eny amin’ireo toerana voafaritra fa tsy azo anaovana izany asa izany intsony, toy ny eo Soarano sy ny manodidina iny, no nilahatra sy nitondra sorabaventy teny amin’ireo toerana ireo. Tetsy an-kilany, niatrana nanamorona ny arabe ireo mpitandro ny filaminana, izay nahitana ny polisim-pirenena sy ny avy aoamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nisy ny horakoraka sy ny fihantsiana fanehoana tsy fankasitrahana izao didy izao avy any amiin’ireo mpanao fihetsiketsehana ka nanakorontanany ny fifamoivoizana teo Soarano. Na izany aza anefa, voafehy ihany ny toe-draraharaha. Tsy nisy ny fisamborana ary tsy nisy ihany koa fahasimban-javatra, raha araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy fantatra kosa anefa hatreto raha nisy ny fandraofana sy fanagiazana ny entan’ny mpivarotra nataon’ireo teo anivon’ny polisy monisipaly. Seho izay voalazan’ireo mpivarotra fa nitranga tamin’io fotona io. Andrasana ny mbola ho tohin’ity raharaha ity anio, satria milaza ireto mpanao fihetsiketsehana fa tsy hanaiky ary tsy maintsy hanohy hitaky izay heveriny fa zony hatrany.
T.M.