- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAnalakely : Niongotra ny kodiaran’ilay taxi-be

Analakely : Niongotra ny kodiaran’ilay taxi-be

Omaly hariva tokony ho tany amin’ny 7 ora sy sasany tany, niongotra tanteraka ny kodiarana aorian’ilay taxi-be nihazo iny lalana miakatra avy aty Analakely ho any Ambohijatovo iny. Io hita amin’ny sary io, nitrosona tamin’ny arabe ilay fiara mpitatitra, nisaraka taminy ny kodiarana efatra. Nipitika ireo kodiarana ireo niaraka tamin’ny vy nitondra azy. Voalazan’ny vaovao fa nisy fiara kely nifanena taminy ary voadona. Soa ihany fa tsy nisy ny olona naratra na ny aina nafoy tamin’ity loza ity.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser